Fondation Axian: ampiana ireo olona manana fahasembanana

Nahatsiaro ireo olona manana fahasembanana ny Fondation Axian, omaly. Nizarana kojakoja iatrehany ny fetim-pirenena ireo olona marefo manana fahasembanana sy tena sahirana.
Efa fanao isan-taona, nandritra ny 3 taona, ny hetsika.
Indroa isan-taona ny famoriana ireo olona manana fahasembanana hizarana tohana ankoatra ny fanampiana azy ireo isam-bolana. Omena tohana ara-bola isam-bolana izy ireo hanampiana ny andavanandrom-piainany.
“Fotoana hanaovana tombana eo amin’ny hampiasan’izy ireo ny vola omena azy sy hihaonana mivantana ny fanatsarana tokony hatao ihany koa ny fihaonana toy izao”, hoy Razakamantsoa Jessica, ao amin’ny Fondation Axian.
Olona tena anatin’ny fahasahiranana ireo sady manana fahasembanana. Misy ny mangataka eny an’arabe, matory an-tsena…. Maherin’ny 90 ireo nahazo fanampiana omaly ary mitombo isan-taona ireo raisina an-tanana. Hitombo 10 izany amin’ity taona ity ary ankizy sahirana manana fahasembanana latsaky ny 15 taona no tena raisina. Misy fitsirihana eny ifotony hamaritana ny tena fahasahiranana mendrika hotohanana.

Tatiana A

Partager sur: