Mama Germaine: nitranga avokoa ny faminaniana hitany

Efa hatramin’ny taona 1997 no efa nisy bitsika tonga taminy avy amin’ny mpahary ary naniraka azy mivady hiala ny asany teo anivon’ny hopitaly fa hataon’Andriamanitra fitaovana ho mpampita hafatra eo amin’ny mpitondra, araka ny nambaran’i Mama Germ­aine. Nampitany tamin’ny filohan’ny Repoblika Ratsiraka Didier, tamin’ izany fa “tsy mahantra i Madagasikara fa nampahantraina” ary tonga ny fotoana tsy maintsy hilazany ny hafatra dia ny “indro havaoziko ny zavatra rehetra ». Nohamafisin’ity hafatra ity hoe “te hamonjy ny firenenareo aho ka ampitao amin’ny rehetra fa tsy mahantra i Mada­gasikara ». Ny taona 1998 no nilazana izay hafatra izay. Ny taona 2002, nisy olana teto amin’ny firenena ary nisy sakana tao Brickaville ka nilaza indray ny hafatra manaraka fa “ravao ny barazy fa tsy an-dRatsiraka ny fitondrana fa an-dRavalomanana” dia rava tokoa izany barazy izany afaka telo andro. Taorian’ izay, nandeha ny fotoana sy taona, tonga ny taona 2006 ary nampita hafatra manaraka Andriamanitra  : « mihavàna sy miraisa saina ianareo Malagasy, indrindra ny mpanao politika fa ataoko ho filamatra i Madagasikara”, hoy ny fanambarana nataon-dRaza­namaria Germaine, filoha nasionalin’ ny ONG Fiada­nana eto Madagasikara. Mety mbola tsy fotoana angamba, hoy izy, ka tsy tanteraka izany firaisankina sy firaisan-tsainan’ny Malagasy izany. Nohamafisiny fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fihavanana sy firaisankina. Vokatr’ ireo dia nilaza ny hafatra manaraka fa hanendry tovolahy madinika ho anareo aho ary hifanipaka ny samy mpiray firenena ary izy no hanao ny fampihavanana sy hikaondoha hanarina ny firenenareo ». Izay tokoa no nitranga ny taona 2009.

Sajo

Partager sur: