Mahazo tombon-dahiny hatrany ny Tafika ana habakabaka. Tonga soa aman-tsara eto Madagasikara, omaly, ny fiaramanidina LET-410 izay hampiasain’ny Tafika Malagasy. Nandray izany teny Ivato, ny filohan’ny Repoblika sady lehibe farantampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry. Nanolotra izany rahateo ho an’ny minisitera izy.
Napetaka niaraka tamin’
izany ny fanevam-pirenena sy ny laharan’ny fiaramanidina vaovao. Ny fiaramanidina hiaka farany manaraka ny fenitra amin’ny fitaterana ana habakabaka ity azon’ny Malagasy ity. Mampiavaka azy ny fahafahany mipetraka amin’ny toerana rehetra sy ny “piste” fohy.
Mahazaka olona 19 ny fiaramanidina. Afaka hampiasain’ ny Tafika ana habakabaka amin’ny karazana asa maro izany. Afaka mitondra miaramila hanao iraka manokana hiadiana amin’ny asan-dahalo. Mbola azo hitaterana marary, hitaomana fitaovana hahafahana mamonjy voina amin’ny fotoana fandalovan’ny rivodoza ihany koa. Mbola mitondra ireo mpilatsaka anelonaina sy hanaovan’ny Akademia Miaramila (Acmil) fiofanana amin’ny filatsahana anelonaina ihany koa.
Ankoatra izay, nambaran’ny Filohan’ny Repoblika fa ho-entina manara-maso ny sisintany sy hiarovana ny habakabak’i Madagasikara izy ity. «Fitaovana stratejika ny fiaramanidina ho an’ny Tafika Malagasy satria manamora ny famitana iraka sahanin’ny Tafika ana habakabaka. Mampitombo koa ny fahaiza-manao ahafahana miatrika ireo ambana marolafy eto amin’ny firenena sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena», hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Fanambin’ny filoha Rajoelina rahateo ny hanampy sy hamerina ny hasin’ny Foloalindahy Malagasy.
Jean Claude




