Fanadinana BEPC 2025: 299 312 ny mpiadina manerana ny Nosy

Hiroso amin’ny fanadinam-panjakana faharoa BEPC ny mpiadina amin’ny alatsinainy ho avy izao. Efa vonona ny foibe sy ny olona hiasa hisahana ny fanadinana, hoy ny tomponandraikitra.

Nitombo kely ny isan’ny mpiadina tamin’ity taona ity raha nihena ireo nisafidy ny sokajy B raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Hanomboka ny alatsinainy 30 jona ka hatramin’ny alakamisy 3 jolay ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Maha­tratra 299 312 ny mpiadina miparitaka amin’ny foibem-panadinana 1 072, ma­nana efitrano 9 000. Nitombo 0,06% ny isan’ny mpiadina raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. 154 926 ny mpiadina ho an’ny sokajy A izay niakatra 1,20% raha mitaha ny tamin’ny BEPC 2024. Nihena 0,06% kosa ny tahan’ny mpiadina nisafidy ny sokajy B satria mahatratra 144 386.
Ho an’ny sokajy A, 152 878 ireo hanao ny teny vahiny anglais, 874 hiatrika ny espaniola ary 1 174 hanao alemà mandritra ny BEPC. 46 ny mpiadina manana filana manokana hiatrehana ny fanadinana ary 19 ny mpiadina teratany vahiny ho an’ity fotoam-panadinana ity.
Efa nozaraina avokoa ny taratasy fiantsoana ary afaka hijery mialoha ny foibem-panadinana sy ny efitrano hiadinana ny mpiadina manomboka ny faran’ny herinandro izao.
Misy ireo sekoly mbola namerina ny kilasy 3ème any an-dakilasy tamin’ity herinandro ity hanomezana toromarika samihafa mialoha ny fiatrehana ny fanadinana amin’ny alatsinainy ho avy izao. Ny taranja Malagasy no hisantarana ny adina ny maraina. Ny taranja “Sciences de la Vie et de la Terre” ny hariva ho an’ny andro voalohany.
Nanamarika ny tomponandraikitra fa tsy tokony hatao takalonaina (tsy omena taratasy fiantsoana) amin’ny tsy fanefan’ny ray aman-dreny ny saram-pianarana ny mpianatra hanala fanadinana, ho an’ny sekoly tsy miankina.
Ho an’ ny Cisco Antana­narivo Renivohitra, 64,39% ny taham-pahafahana BEPC tamin’ny taona 2024.

Vonjy

Partager sur: