Manjaka Tokana: nizara fanomezana ho an’ny ankizy

Telo sosona ny fanamarihana tamin’ity volana jona ity. Voalohany, ny fankalazana ny andro niverenan’ny Faha­le­ovan­tenan’i Madagasikara. Faharoa, ny Volan’ny teny malagasy ary farany ny Iray volan’ny ankizy. Ireo sehatra telo ireo dia mahakasika ny firenena ka tena zava-dehibe, hoy ny mpitsabo amin’ny alalan’ny Sorabe, Manjaka To­kana. Nisafidy ny fokontany Ambohimamory ny tenany nizara fanomezana izay tsy miankina amin’ny resaka politika na fikambanana. Hetsika natao tamin’ity herinandro ity. Nambarany fa omena ny anjarany ny ankizy satria fantatra ny zavatra iainan’izy ireo eny amin’ny fiarahamonina. Mi­fana­lavitra ny elanelana eo amin’ny olona mandalo fahasahiranana sy ireo manankatao. Mandalo fahasahiranana izy ireo ankehitriny ka mahatsiaro manana adidy ny mpikirakira ny sorabe. Tsy misaraka amin’ny fanaovana asa soa, araka ny teny masina ao amin’ny bokin’ny sorabe milaza hoe mahaiza mizara rehefa nahazo fahasoavana avy amin’ny mpahary. Nizara akanjo mafana, kilalao, biscuit, vatomamy ary arendrina izy ireo nahafahan’ny ankizy miatrika fety satria manan-jo hitafy, hilalao ary hisakafo sy hifaly ny ankizy rehetra.
Efa miara-miasa matetika amin’ny fokontany Ambohima­mory izy ka ny mpiandraikitra ny kartie ao amin’ny fokontany no mahalala ny ankizy mandalo fahasahiranana. Nizara tapakila ahazoana misitraka ny fanomezana ireto farany. An-jatony no nahazo izany satria izay no tratran’ny eo am-pelatanana, hoy izy.
Ireo tena sahirana tokony hisitraka no notsongaina manokana, hoy ny mpiandraikitra ao amin’ny fokontany, Razafindrafara Adeline Nirina. Faritra dimy no mamaritra ny fokontany ka ny lehiben’ny faritra no mizara ho an’izay tokony hahazo fanampiana,

Vonjy

Partager sur: