Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fankalazana ny faha-65 taona nitsingerenan’ny fahaleovantena malagasy sy nijoroan’ny Tafika malagasy. Efa mahazatra ny maro amin’ny fankalazana tahaka izao ny matso, saingy nampiavaka ny tamin’ity taona ity ny fisian’ireo Tafika vahiny nandray anjara tamin’izany.
Anisan’izany ny an-dry zareo sinoa sy frantsay. Ainga vao ho an’ny fiarovana malagasy izy ity ary tsapa fa miara-mientana amin’ny Malagasy ireo vahiny. Hita taratra nandritra iny matso iny ihany koa fa mihamafy hatrany ny fiaraha-miasan’ireo Tafika malagasy, izay samy manana ny sampandraharaha sahaniny avy. Tsara marihina fa tonga nanatrika ity matso lehibe tao Mahamasina ity ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ireo solontenam-panjakana avy atsy amin’ny Nosy rahavavy Comores, Sénégal, ary ireo masoivoho avy amin’ny firenena hafa izay miasa sy monina eto Madagasikara.
Nampientana ny maro
Nahasarika sy nahatalanjona! Ireo no azo lazaina taorian’iny fety fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ireny. Nampientana ny maro ihany koa ny hetsika natao teny amin’ny Lac Iarivo Ivato, afakomaly. Anisan’ny nahavariana teny an-toerana ny fampisehoana maro, toy ny « Jet d’eau », ny afomanga, ary ny « show drones»
F.R




