Antso ho an’ny mpitondra afrikanina: mila ampitomboana ny vola hikarakarana ny ankizy

Ho fanamarihana ny An­dro ho an’ny ankizy afrikanina, ny 16 jona lasa teo, nentanin’ny tomponandraikitry ny Uni­cef aty Afrika ny tomponandraikitra na olona manan-danja ao amin’ny firenena misy azy avy hanao sonia taratasy misokatra ho an’ny mpitondra aty Afrika. Votoa­tin’ny taratasy ny haitaky amin’ny tokony hampitomboana bebe kokoa ny sora-bola hatokana hikarakarana manokana ny ankizy.
Maro ny asa efa vita hanatsarana ny tontolo iainan’ny ankizy sy hisitrahany ny zony nefa mbola misy ihany ireo zaza tsy misitraka izany noho ny antony samihafa. Misy amin’ireo firenena no tsy manao laharam-pahamehana ny fahasalamana, fanabeazana sy ny fiarovana. Antony tsy nahatrarana ny tanjona napetraka ho an’ny sora-bola natokana ho an’ireo sehatra ireo izay misy fiantraikany mivantana amin’ny ankizy.
Matetika miantefa amin’ny ankizy efa lehibebe ny ampahany betsaka amin’ny tetibola nefa ireo kilonga madinika no tena mila fanohanana kokoa. Ny 0,2% amin’ny tetibola monja no atokana hiarovana ny ankizy amin’ny herisetra samihafa.
Ho an’i Madagasikara, 24,2% ny tetibolam-panjakana, taona 2025, no nomena ny fahasalamana, rano, fiahiana sosialy raha tokony ho 20% ho an’ny fanabeazana ary 15% ho an’ny fahasalamana. Mirado Ravohitrarivo, Andria­moraniaina Harijaona, Hassa­nein Hiridjee, ary Randriana­rison Hony Joelle no nanao sonia ny taratasy misokatra.

Vonjy

Partager sur: