Nisy ny loka nomena ireo minisitera mba hampiakarana ny lentan’ny fahaiza-manaon’ny mpiasa ao aminy, nandritra ny fankalazana ny Andro Afrikanina ho an’ny mpiasam-panjakana tamin’ny 23 jona teo. Nahazo ny loka faharoa tamin’izany, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), noho ny ezaka vitan’io minisitera tarihin’ny minisitra Moustapha Marson, io. Nahatratra 402 ny mpiasa nisitraka fampiofanana, 385 teto amin’ny Nosy ary 7 hafa avy any ivelany. Ankoatra izay, nankahery ny mpiasam-panjakana rehetra ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana, nandritra ny fankalazana. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny fanoloran-tenan’ireo mpiasam-panjakana manao ny asany amin’ny fanajana ny fitsipi-pifehezana ara-etika sy ara-pitondrantena manoloana ny asa iandraketan’ny tsirairay. Indrindra amin’ny ady amin’ny fahataran’ny fitantanan-draharaha.
Mino




