Fanabeazana: manampy amin’ny fivelaran-tsain’ny ankizy ny Sary fetsy

Antoka ho an’ny fanatsarana sy hampandrosoana ny sehatry ny fanabeazana ny ankizy ny fananana fitaovana ahafahana manaitra ny sainy. Manampy azy hivelatra amin’ny lafiny maro samihafa ny Sary fetsy.

Nivoitra izany nandritra ny fihaonana teo amin’ny Association Sœur Emmanuelle (Asmae) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy tetsy amin’ny Centre Arrupe Faravohitra, ny herinandro teo. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Ankizy” dingana fahatelo, mikendry ny hanamafisana ny fampidirana ny ankizy 3 ka hatramin’ny 12 taona amin’ny alalan’ny fampitana soa fanao ho an’ny fanabeazana sy fampitaovana pedagojika vaovao. Misongadina ao anatin’ireo ny vokatra azo tamin’ny fampiasana ny Sary fetsy. Tsara sy miabo ny vokatra azo tamin’ny fampiasana ity fitaovana pedagojika ity, nandroso ihany ny fahalalana ankapoben’ny ankizy any amin’ny kilasy garabola. « Fitaovana pedagojika ahafahana manamafy ny fitomboan’ny ankizy ny sary fetsy. Niankina tamin’ny filana eny an-tsehatra no nahafahana namolavola ireo fitaovana ka nivoitra tao anatin’izay ny Sary fetsy », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Asmae, Andriamiarana Vatosoa Rehareha.

Zaza madinika
Fitaovana pedagojika novokarin’ny Asmae sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny Sary. Manampy amin’ny fivelarana ara-tsaina na ara-batana na ara-tsosialy natokana ho an’ny zaza madinika ity fitaovana ity. Ahitana lohahevitra 12 ao anatin’ny Sary fetsy natokana ho an’ny zaza garabola. « Misy ny fanaovana bika, ahitana karazana loko, hanairana ny sain’ny zaza sy hanampy azy hiteny amin’ny alalan’ny famoronana tantara amin’ireo kisarisary hita. Tanjona ny hampazoto ny zaza handeha an-tsekoly sy hivelaran’ny sainy », hoy ny mpanabe nisitraka ny fiofanana, Raharisoa Nomen­janahary.

Henintsoa

Partager sur: