Anisan’ny mandray anjara momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanentanana ny vahoaka ho an’ny sakafo ara-pahasalamana ny firaisamonim-pirenena, araka ny fanazavan’ny ONG Hafa sy ny Mentor ECCE.
Manabe ny ray aman-drenin’ireo ankizin’ny lalana ny ONG ka mampahafantatra ny zava-misy sy ny sakafo mahavelona. Manentana any an-tsekoly koa izy ireo momba ny sakafo (goûter) sy amin’ny toeram-pisakafoana ho an’ny mpianatra. Fanabeazana ahafahana manova ny fomba fisakafo sy fiaina hitondra fahasalamana no tanjona. Manana tetikasa hiresaka amin’ny orinasa mpamokatra sakafo koa izy ireo amin’ny karazan-tsakafo atolotra amin’ ny tsena, hoy ny mpiandraikitra ny ONG Hafa, Saraha Enintsoa.
Miasa eto Antananarivo sy any Fianarantsoa ny ONG Hafa. Misehatra amin’ny fampandrosoana eny ifotony manao fanentanana mahakasika ny fahasalamana, fanabeazana nanomboka ny taona 2013 ny fikambanana. Nandritra ny asa nataon’izy ireo momba ny fanabeazana no nahatsapany fa maro ny ankizy miala an-daharana any an-tsekoly noho ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahantrana ara-tsakafo mianjady amin’ ireo mpianatra. Mety ho tratran’ny fahantrana ara-tsakafo avokoa ny sokajin’olona rehetra (mahantra sy manan-katao). Satria, rehefa tsy voalanjalanja ny sakafo miditra ny vava dia mety hiteraka tsy fahasalamana ho an’ny vatana, araka ny voalazan’ny mpitantana ny ONG Hafa. Antony mitarika amin’ny fahantrana ara-tsakafo ny tsy fahampian’ ny vola hividianana ireo akora hikarakarana sakafo, tsy fahampian’ny fanabeazana momba ny sakafo ara-pahasalamana (ho an’ny olona manam-bola indray). “Rehefa misitraka sakafo ara-pahasalamana ny olona iray dia manana antoka ara-tsakafo ka ny sakafo matsiro amin’ny lela tsy voatery mety ho an’ny fahasalamana avokoa”, araka ny voalazan’ i Saraha Enintsoa.
Fanabeazana ho an’ny ray aman-dreny sy ny ankizy (efa omen’ny ray aman-dreny vola hividianana goûter) no sahanin’ny Mentor ECCE. Fanabeazana hanova fihetsika ka handraisany fanapahan-kevitra tsara no tanjon’ny fikambanana, hoy ny mpitantana ny fikambanana, Raveloarinanja Dominique.
Vonjy




