Fifampiraharahana Nosy malagasy: ny minisitry ny Raharaham-bahiny no hitarika ny delegasiona any Paris

Ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, no hitarika ny delegasiona malagasy. Amin’ny fanohi­zana ny fifampidinihana momba ny Nosy malagasy hataon’ny vaomiera iombonana frantsay sy malagasy any Paris, Frantsa, io, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, afakomaly.

Handrafitra ny delega­siona malagasy ny mi­nisitry ny Jono sy ny toe­karena manga, i Maha­tante Tsimanaoraty Paubert; ny loholon’i Madagasikara, Rako­tondrazafy Lalatiana; ny masoi­vohon’i Madagasikara eo anivon’ny fikambanan’ny Fire­nena mikambana any Genève, ny Dr Tehindraza­na­rivelo Dja­coba Oliva; ny sekretera jeneraly lefitry ny fiadi­diana ny Re­poblika, Andri­amaholy Dina; ny tale jeneralin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena eo anivon’ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny, Rabe­manan­jara Harifera Elisa; ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana am­bony sy ny fikaroahana ara-tsiansa, Ranarijaona Hery Lisy Tiana, ny mpanolotsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ny vise amiral, Ranaivo­seheno Antoine de Padoue.
Araka ny fanambarana miaraka nataon’ny filoha ma­lagasy Rajoelina Andry sy ny filoha frantsay Emmanuel Macron tamin’ny fitsidihana ara-panjakana natao teo Mada­gasikara, ny 23 avrily. Hatao ao Paris, Frantsa, anio, ny fi­voriana faharoan’ny vaomiera iombonana frantsay-malagasy momba ny Nosy malagasy manodidina: Nosy Ampela, Nosy Kely, Nosy Sambatra, Nosy Bedimaky. Mampiseho ny fitohizan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, izay mifototra amin’ny fifanajana sy ny fihainoana ary ny fikatsahana vahaolana hiarahan’ny roa tonta mandinika ny fivoriana.

R. Nd.

Partager sur: