Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miantso ny olom-pirenena rehetra aho fa ny fampandriana fahalemana sy ny filaminana dia andraikitsika rehetra. Isika no tokony hifanome tanana sy miara-mandray andraikitra amin’ny fampandriana fahalemana sy fitandroana filaminana. Isika no miara-monina eto amin’ity Nosy ity. Aleo isika handrindra ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy”. Io ny nambaran’ ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny Ampahibe, ny faran’ny herinandro teo, taoriany nahavitan’ny fankalazana ny 26 jona. Isaorana avokoa ny hery velona rehetra nanome tanana sy nifarimbona ka nanatontosana izany. Tsy hadino ny ao amin’ny Hery fiarovana sy filaminana, izay nanao ny matso sy ny fandaminana rehetra teo amin’ny fiarovana sy ny filaminana.
Araka ny tokony ho izy ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena tamin’ny 26 jona, izay natrehan’ny rehetra teo. Izany no tontosa dia teo ny fahaiza-mitariky ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, niahy ny fankalazana rehetra. Teo koa ny fahaizan’ny Praiminisitra Ntsay Christian nandrindra ny fankalazana rehetra tamin’iny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy iny. Isaorana ny kaomitim-pirenena nanomana ny fankalazana. Notontosaina tao anatin’ny distrika nanerana ny Nosy ny fankalazana. Hita fa tamin-kafaliana sy fitoniana tokoa no nanatanterahan’ny vahoaka izany fankalazana izany. Isaorany koa ny vahoaka iray manontolo nanaraka ny fandaminana, ka nahazoana vokatra tsara. Satria nifaly tao anatin’ny filaminana sy fitoniana tanteraka ny vahoaka.
R. Nd.




