Nandray ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa, ny distrikan’Arivonimamo tamin’iny herinandro iny. Nanomboka ny talata ary nifarana ny zoma lasa teo izany. “Ao anatin’ny fitarihana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ezahina ny mampifandray ny mpamokatra sy ny mpandray vokatra”, hoy ny filohan’ny fikambanana Fivoarana sady solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Tanjona ny hampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy ny seha-pihariana. “Anisan’ny dingana iray lehibe hahatongavana amin’izany ny fikarakarana ny hetsika », hoy ihany izy. Nahitana tranoheva 100 isa teny an-toerana. Nampirantina mahakasika ny fambolena, ny fiompiana, ny fanodinana vokatra ary ny tetikasa isan-karazany. Nahitana fampiofanana sy famelabelaran-kevitra ihany koa. Maro ny vokatra mampalaza iny distrika iny, toy ny vary mena manalalondo, mananasy, sakay vavam-borona ary ny landibe. Miantoka ny fahaveloman’Antananarivo amin’ny famatsiana vokatra maro izy. Toy ny anana, voatabia, ovy sy ny maro hafa. Tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny fiverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara ihany koa ny hetsika.
Mino




