Yess Girls Movement-Fanilon’i Madagasikara: tanora 100 nanasongadina ny sehatry ny siansa

Nanatanteraka hetsika fanairana ireo ankizy hirona amin’ny sehatra siantifika ny Yess Girls Movement-Fanilon’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny EPP Besarety.
Mpianatra 100 avy amin’ny sekoly 10 eto Antananarivo sy ny manodidina no nifarimbona naneho ny tetikasa kely, izay manasongadina ny fahaizana amina teknika tsotra kanefa azo ampiharina. Teknika fanadiovana rano no tetikasa na­taon’ny ankizy sasany. Fanam­boarana ranon-tsavony kosa no nataon’ny hafa….
Nisy ireo skoto zazavavy avy any Malawi, Tanzani, Ben­gladesh, Burundi ary Nepal nizara traikefa sy fahaiza-manao tamin’ireo mpianatra.
Tanjona ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ny zazavavy skoto aty Afrika sy Azia Atsimo. Fandresena Arisoa, mpandrindra mpanampy ny Yess Girls Movement-Fanilon’i Madagasikara. Omena sehatra ny vehivavy hahasahy hitarika sy hijoro ary ho sahy hanao zavatra mivainga.
Stem Fair no natao ny sabotsy teo (Science, technology, engenering, mathematic). Fampidirana ny vehivavy amin’ny sehatry ny siantifika kokoa. Hanehoana fa afaka miditra amin’ny sehatra ara-tsiansa ny vehivavy fa tsy ho an’ny lehilahy ihany.
Tanjon’ny Stem ny hanome fahatokisan-tena ny vehivavy rehefa miantsehatra amin’ny siansa.
Fandaharanasa iray manohana ny skotisma zazavavy maneran-tany ary tohanan’ny governemanta norvezianina ny Yess Girls Movement.

Tatiana A

Partager sur: