BEPC 2025 : Nilamina ny foibem-panadinana

Miisa 1 566 ny mpiadina ao amin’ny foibem-panadinana CEG Antanimena, izay mitsinjara ao amin’ny CEG Antanimena, EPP Antanimena ary ny SFX Antanimena. 12 hatramin’ny 27 taona eo ny salan-taonan’izy ireo. Nahatratra 19 ireo tsy tonga niadina, izay marihina fa vitsy raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Afaka nalamina tsara ny mpiadina sy ny ray aman-dreny. « Tsy misy intsony ireo ray aman-dreny tafiditra ao amin’ny foibe fa avy hatrany dia mamonjy ny filaharana ireo mpiadina ary ny mpiandry no mitondra azy ireo ao amin’ny efitra hanaovana ny fanadinana », hoy ny mpiandraikitra ao amin’ny foibe CEG Antanimena, Razafiarivony Tan­te­linirina. Nisy tamin’izy ireo no nanadino ny taratasy fiantsoana sy efa nanary izany saingy efa niomana ny amin’izany ny lehiben’ny foibe amin’ny fanolorana ny kopia ny taratasy fiantsoana ho azy ireo mba tsy hampitaintaina loatra amin’ny tsy fahafahana miadina. Nizara ny hevitry ny mpiadina tamin’ny taranja Malagasy. « Taranja mora ny Malagasy ka tsy nisy ny fahasarotana tao anatin’ny laza adina saingy teo amin’ny tsy fahampian’ny fotoana no olana tamiko vokatry ny fanaovana vakiraoka », hoy i Fanasina 13 taona, mpiadina. Ny hafa kosa nilaza fa: « mora ny taranja Malagasy saingy teo amin’ny famoronan-dahatsoratra no mafimafy kokoa tao amin’ny laza adina. Ampy tsara ho ahy nefa ny fotoana nanaovana izany ka vita soa aman-tsara daholo ny laza adina ».

Ninah (mpianatr’asa)

Partager sur: