Notokanana omaly ny fotodrafitrasa. “Vita ny fanavaozana ny foibe famantarana ny toetry ny andro izay tsy lavorary loatra teo aloha ka tsy nahitana fahombiazana amin’ny lafiny maro”, hoy ny minisitry ny Fitanterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, Ramonjavelo Valéry. Tsy ampy koa, raha ny nambarany, ny fampitaovana nahafahana miasa ka izay no nitondrana fanavaozana sy fampitaovana vaovao. Niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana sy ny tetikasa Produir izany, novatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Tafiditra amin’ny fanavaozana ny fampitomboana ny “serveur” ahazoana antontam-baovao marim-pototra haparitaka manerana ny Nosy sy any ivelany. Manomboka izao, manana ny toerany ny foibe famantarana ny toetry ny andro sy ny tany ary ny rano, ivontoerana vaovao tanteraka taorian’ny fanatsarana.
Efa mivoatra koa ny lafiny fampianarana sy manome fiofanana ho an’ny injeniera maminavina ny toetry ny andro satria manana sekoly roa isika: Eneam sy eny amin’ny politeknika Vontovorona. Betsaka ny mpiray ombon’antoka amin’ny fanomezana Radar sy manatsara ny fiofanana ahafahana mahazo antontan-kevitra entina miaro ny fananana sy ny vahoaka. “Tombontsoa ho an’i Madagasikara ny fahazoana fotodrafitrasa vaovao, indrindra ho an’Antananarivo izay misedra tondradrano matetika, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany”, Andriantsitohaina Naina.
Vonjy




