MSP: Nankasitrahana ireo polisy mendrika

Nandray sy nankasitraka manokana ireo polisim-pirenena roa: ny commissaire de Police Andriamiharimanana Rojo, sy ny Officier de Police Sarisaina Micky Neslon, nahavita fiofanana nandritra ny herintaona tany Frantsa, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny inspecteur général de Police Rakoto­arimanana Herilala, omaly. « Porofon’ny fahaiza-manaon’ny polisim-pirenena izao vokatra izao », hoy ny MSP. Nandrisika azy ireo mba hitozo hatrany amin’ny asa ary hampihatra ny fiofanana azon’izy ireo ho an’ny fiarovana ny mpiray tanindrazana, ny MSP. Nambaran’ity manamboninahitra ity fa tsy tokony hohadinoina ny mizara ny traikefa azo ho an’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena. Nanome toky moa ireto polisy ireto fa hanome ny tsara rehetra ho an’ny polisim-pirenena, araka ny fiofanana izay azon’izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: