Tontosa tao Paris, France, omaly, ny fivoriana faharoan’ny Vaomiera itambaran’ny Frantsay sy Malagasy, momba ireo Nosy malagasy. Nitarika izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, Barrot Jean Noel, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rafaravavitafika Rasata.
Araka ny vaovao voaray, omaly, avy any Paris, nitaky teboka mafonja ny delegasiona malagasy, ary tao anatin’ny lalan-tsain’ny fitoniana sy ny fifampitokisana eo amin’ny firenena roa tonta no nanaovana izany. Anisan’ ny notakina tamin’izany ny fampiatoana ny fandraisana fanapahan-kevitra samirery mahakasika ireo Nosy, mandra-piandry ny hisian’ny vahaolana ifanarahana araka ny fanirian’ireo filoham-pirenena roa tonta. Eo ihany koa ny fanohizana ny fifanakalozan-kevitra mba hahatongavana amin’ny vahaolana am-pilaminana, rariny ary maharitra, manaja ny hetahetan’ny vahoaka malagasy. Ny fametrahana lasitra ankapobeny momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy frantsay, izay tsy manohintohina velively ny foto-kevitra ijoroan’i Madagasikara, dia ny fananany ny fiandrianana amin’ireo Nosy ireo. Ny fametrahana fomba eken’ny roa tonta amin’ny fanaraha-maso sy fifampidinihana, ary tafiditra ao anatin’izany ny fanohizana ny fikarakarana fivoriana matetika araka ny tetiandro ifanarahan’ny andaniny sy ny ankilany. Ny famelana malalaka ny Malagasy mpanjono hanarato amin’ny fari-dranomasin’ireo Nosy malagasy ireo, toy ny efa nataon’ireo razambeny tany aloha. Manampy izany ny fanonerana ny fahavoazana sy fahaverezana ara-toekarena nahazo an’i Madagasikara nandritra ny taona maro tsy nisitrahany ny fiandrianana amin’ireo Nosy malagasy ireo. Ny fandraisana anjaran’ny Malagasy mpikaroka amin’ ny asa fikarohana rehetra atao amin’ireo Nosy ireo. Ary eo koa ny fahafahan’izy ireo hijery ny antontan-kevitra rehetra mahakasika ny fikarohana izay efa vita tany amin’ireo Nosy ireo.
Vonona hatrany
Nanambara ny fahavononany ny delegasiona tsirairay fa hanohy sy hanamafy ny fifampidinihana. Hisy ny fametrahana ny fototra amin’ny fifandraisana itovian’ny roa tonta lenta. Mba hanohizana ireo adisisika efa nataon’ny delegasionina malagasy ireo, nifanaraka ny andaniny sy ny ankilany fa hotanterahina eto Madagasikara ny andiany fahatelo amin’ny fivoriana momba ireo Nosy malagasy ireo, amin’ny fotoana izay mbola hofaritana amin’ny ara-pomba diplomatika. Tsy ho ela ny hanaovana izany.
F.R




