Lany nasiam-panitsiana ny tolo-dalàna momba ny fifidianana loholona natolotry ny loholona Tsiebo Mahaleo. Nila ny antsasa-manilan’ny solombavambahoaka ny fandaniana izany noho ny maha lalàna fehizoro azy.
Na nifandroritana aza ny latsa-bato miafina sy nandraisana ny fanomezam-pahefana hifidy avy amin’izay depiote tsy tonga, teny anivon’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly: lany tamin’ny isam-bato 91 tamin’ireo depiote 93 nifidy ny tolo-dalàna Tsiebo Mahaleo momba ny fifidianana loholona. Lalàna fehizoro no nasiam-panitsiana ka mila ny antsasa-manilan’ny depiote ny fandaniana. Izay no nanaovana latsa-bato miafina fa tsy tsangan-tanana noho ny fifidianana nisy fanomezam-pahefana avy amin’izay tonga.
Manan-jo ny filohan’ny vondrona parlemantera hangataka latsa-bato miafina, araka ny fitsipika anatiny. Tsy maintsy amin’ny alalan’ny biletam-pifidianana no anaovana azy, fa tsy azo atao tsangan-tanana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny vaomieran’ny lalàna, ny depiote Raby Savatsarah Ain’Harimanga Gabrielle. Manangan-tanana roa ve amin’ny fanomezan-dalana hifidy avy amin’izay tsy tonga raha tsangan-tanana no atao?
“Momba ny fifidianana loholona: raha ny And. 127 ao amin’ny lalàna fehizoro 2015-007, misy ny mpifidy vaventy dia ny ben’ny Tanàna sy ny mponolotsain’ny Tanàna, ny lehiben’ny Faritra sy ny mpanolotsain’ny Faritra, ary ny lehiben’ny Faritany sy ny mpanolotsain’ny Faritany”, hoy ny fanazavan’ny tompon’ny tolo-dalàna, ny loholona Tsiebo Mahaleo. Tokony hojerena ny fanaovana ny fifidianana an’ireo. Tamin’ny 2023, nolazaina fa hatao ny fifidianam-paritra sy faritany nefa tsy tanteraka. Izay no nahatonga ny hoe: inona no tokony vahaolana mba tsy hampisy fahabangana amin’ny andrimpanjakana? Hatao ny fifidianana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy.
R. Nd.




