FANTINA sy FINTINA

Handray ny filankevitry ny minisitra mitety faritra ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony, Fianarantsoa, anio. Hitarika izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Ankoatra ny fijerena ny olana sy ny vahaolana eny ifotony, eo koa ny fitokanana ireo zava-bita any an-toerana, toy ny hopitaly manara-penitra, coliseum… Eo koa ny fanampiana sosialy.

Ny lafiny tantara no tokony hitakiana ireo Nosy malagasy manodidina, raha ny fanehoan-kevitry ny mpahay tantara, i Lahiniriko Denis Alexandre. Satria ny Malagasy no tonga voalohany tany amin’ireo Nosy ireo. Tsy manery ny Frantsay hamerina an’ireo ny fehinkevitry ny Firenena mikambana, fa ny filankevi-pilaminana no tena manapa-kevitra.

Hotanterahina eto Antananarivo, amin’ny herinandro ambony, ny fihaonambe isan-taon’ireo ben’ny Tanàna aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Miisa 16 ireo ben’ny Tanàna avy amin’ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara izay mpikamban’ny Fikambanan’ny ben’ny Tanàna aty amin’ny ranomasimbe Indianina ( AVCOI) handray anjara amin’izany.

Partager sur: