Nanaraka ny lamina araka ny tokony ho izy ny mpiadina rehetra eo amin’ny foibem-panadinana Jean Joseph Rabearivelo ka tsy mbola nisy ny fahasarotana hatramin’ny omaly.
Mizotra ara-dalàna hatreto ny fanadinam-panjakana BEPC ao amin’ny foibe Jean Joseph Rabearivelo nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny omaly. Miisa 1 349 ireo mpiadina ao amin’io toeram-pianarana io. 21 ny mpiadina tsy tonga niatrika izany tamin’ny omaly tapakandro maraina. Manomboka amin’ny 10 ka hatramin’ny 36 taona ny mpiadina voaray tamin’ity taona 2025 ity. Tsy mbola nisy hatreto ireo mpiadina nanadino taratasy fiantsoana hatramin’ny omaly, raha ny tatitra voaray. Nanomboka ara-potoana ny fanadinana, araka ny fandaharam-potoana nomena, raha ny fantatra. Amin’ny 8 ora ho an’ny maraina ny fanombohana ary amin’ny 2 ora kosa ny tolakandro. « Marihina fa tonga ara-potoana daholo ny mpiadina. Tsy mbola nisy, araka izany ny fahatarana izay manamarika ny fahavononan’ny mpiadina sy ny fanarahana ny lamina apetraka », hoy ny lehiben’izany foibem-panadinana izany, Rakotomalala Rabarison Holy.
Sahirana amin’ny asamarika
Tovovavy iray no naneho ny heviny manokana momba ny fahitany ny fanadinana 3 izay efa natrehiny. «Mora tamiko ny niatrika ny taranja Malagasy. Ny SVT eo amin’ny antonony. Ny matematika no hitako sarotra satria tsy dia fahita loatra ny laza adina. Teo amin’ny rafitsary no nanahirana indrindra», hoy i Miarintsoa, 15 taona. Nanamafy izany ihany koa ny mpiadina iray hafa. « Tena sarotra tamiko ilay matematika, indrindra teo amin’ny fikirakirana drafitra », hoy i Steven. Nohamafisin’izy ireo kosa fa ampy tsara ny fotoana nanaovana ny laza adina ka dia vita soamantsara hatramin’ny farany izany.
Ninah (mpianatr’asa)




