Lanonana santa-bary ao Amparafaravola. Nandray anjara feno sy naneho fahavononana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Ho fanohanana ireo tetikasa ifotony ary koa hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra maro samihafa amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka izany.
« Iray volan’ny oniversite amin’ny fifanakalozan-kevitra», andiany voalohany. Hetsika tanterahin’ny oniversité rehetra manerana ny Nosy, karakarain’ny Mesupres, iarahana amin’ny FCE hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana ambony. « Fampianarana ambony sy faharanitan-tsaina artifisialy mankany amin’ny pedagojia manavao sy manara-penitra » ny lohahevitra ho an’ny ao Fianarantsoa.
Haharitra efatra andro ny BEP (Brevet d’études professionnelles) ary telo andro ho an’ny CFA (Certificat de fin d’apprentissage). Mirary soa sy fahombiazana hatrany ho an’ny mpiadina rehetra manerana ny Nosy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline.




