Mihamahery ny tranga tazomoka any amin’ny distrikan’Ikongo, amin’ izao fotoana izao. Manoloana izany indrindra, nanao fanambarana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MCC), sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna, omaly. “Efa mandray andraikitra ny governemanta, miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo rafitra samihafa, araka ny toromarika avy amin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry”, hoy izy.
Noraisina tao anatin’izany ny fandefasana CVO miisa 5 000, izay nentin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny BNGRC, omaly. Eo ihany koa ny fandefasana mpitsabo sy fanafody. Miampy ny fanentanana ny olona hampiasa lay misy odimoka sy tsy hanao dokotera tena fa hanatona tobim-pahasalamana ara-potoana. Misy koa ny fanaovana asa sosialy sy fanadiovana faobe ny tanàna. Farany, ny fanamafisana ny fandriampahalemana eny ifotony. Nanentana hatrany ny minisitra amin’ny fanomezana vaovao marim-pototra.
Ankoatra izay, nidina teny ifotony, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza, (BNGRC) ary ny zandarimariam-pirenena, omaly. Tonga hijery sy hanadihady ny zava-misy marina ary hitondra vahaolana faingana any an-toerana izy ireo, araka ny vaovao voaray. Tsiahivina fa efa tafatsangana nanomboka ny 27 jona lasa teo ny ivontoerana mpamonjy aina, “Centre de coordination et d’urgence”, eo anivon’ny BNGRC.
F.R




