TSELATRA

Jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy tao Fara­fangana, afakomaly alina. Jiolahy maromaro no hita nivory tao amin’ny fokotany Andranomakoko. Nikasa sy nikononkonina fanafihana iray tao an-toerana izy ireo. Nitifitra izy ireo vao nahita ny polisy no sady nandositra. Lavo nandritra ny fifampitifirana ny iray tamin’izy ireo.

Dahalo iray lavon’ny balan’ny zandary teny Am­bo­hidratrimo, afakomaly tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Nikasa hanatanteraka fanafihana indroa nisesy tao Ampilanonana, kaominina ambanivohitra Mahereza, distrika Ambohidratrimo, ireo jiolahy mirongo fitaovam-piadiana isan-karazany ireo. Nidina ifotony nisambotra ny zandary taorian’ny fampahafantarana ny tranga avy amin’nny tsara sitrapo.

Kamiao iray nitondra vary sy voanjo 65 kitapo no nivarina tany anaty hantsana, ny sabotsy teo, tany Marofarafara, kaominina Mangataboahangy, distrikan’Am­bato­finandrahana. Namoy ny ainy ny mpamily sy ny mpanampy azy. Fahatapahan’ny hisatra no antony nahatonga ny loza, raha ny fanazavana voaray.

Jiolahy iray nangalatra sy nandroba Cash point lavon’ny balan’ny zandary tany Ambatolampy, omaly. Namaky Cash point tany Ambodirina Ambatolampy, ny 24 jona lasa teo, izy io. Voasambotry ny zandary avy any Ambatolampy izy ary nikasa handositra.

Partager sur: