Antso avon’ny Ceni: “Hatsaraina ny fifidianana”

Nambaran’ny sekretera mpanatanteraka lefitra eo anivon’ny Ceni, Ravaoharinirina Hanitriniaina Liliane, omaly, fa efa misokatra izao izy ireo amin’ny soso-kevitra rehetra momba ny fifidianana. “Entaninay ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fifidianana: antoko politika, fiarahamonim-pirenena… mba handefa soso-kevitra aty amin’ny Ceni, mialoha ny 20 jolay izao ho fanatsarana ny fifidianana”, hoy izy. Anisan’ny andrasana amin’izany ny momba ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana, ny fiarovana ny zon’ny mpifidy, ny fampiasana ny “Biometrique”, ny momba ireo “Diaspora” ary ireo manana fahasembanana, ma­noloana ny fifidianana. Hitohy amin’ny taona hoavy izany dingana izany rehefa voaravon’ny Ceni ny antontan-kevitra rehetra. Natsidiny fa hoentina eo amin’ny fihaonambem-pirenena izany avy eo ka handraisana fanapahan-kevitra.

Synèse R.

Partager sur: