BEPC-Taranja Malagasy: Nahazo naoty tsara ny ankamaroan’ny mpiadina

Efa mizotra ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ ny taranja Malagasy amin’ny BEPC raha vantany vao tontosa izany ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsara ny vokatra satria nahazo “moyenne” ny ankamaroan’ny mpiadina ankoatra ireo tsy nahita hosoratana mihitsy, hoy ny mpampianatra mitsara izany. Tao anatin’ny boky izay tafiditra amin’ny fandaharam-piana­ran’ny kilasy 3ème “Hoavy ny maraina” nosoratan-dRandriamamonjy Ester no nakana ny ampahan-dahatsoratra nanadinana. Mifandraika amin’ny fiainana andavanandro sy ny zava-misy iainana ny voalaza ka tsy nanahirana ny mpiadina ny niatrika azy amin’ny ankapobeny. Ho an’ ny famoronan-dahatsoratra, avy amin’ny lohahevitra: Ny fiaraha-mientana no antoky ny fahombiazana amin’ny fampandrosoana ny firenena no nangatahana tamin’ny mpiadina, mbola mifanentana amin’ny fiainam-pirenena.
Ny fahalalana ankapobeny momba ny riba malagasy sy ny soatoavina no niompanan’ ny laza adina, maro ny mpiadina nahafehy ny zavatra nangatahina taminy.
Mbola mitohy ny fitsarana ny taratasim-panadinana raha telo andro no nofaritan’ny mi­nisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hamitana ny asa. Vitsy ny mpampianatra mitsara nefa maro ny taratasim-panadinana ka mety hiitatra ny fe-potoana napetraka, hoy ny mpitsara. Nialoha ny fitsarana, mbola nisy ny fivoriana mahakasika ny fizotry ny fitsarana rehetra na Commission d’entente.

Vonjy

Partager sur: