Tetikasa mikendry ny hanavao ny fambolena, ny hametraka an’i Madagasikara ho maodely amin’ny fiaraha-miasa sinoa-afrikanina. Hisy ny laboratoara manana fahaiza-mamakafaka ny kalitaon’ny voa sy ny fitiliana mialoha ny aretina sy ny bibikely hatsangana.
Nanatanteraka fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa (MOU) hoenti-manangana laboratoara mamakafaka vary manara-penitra ny Fiaraha-miasa stratejika eo amin’i Madagasikara sy i Chine. Ny sekreteram-panjakana izay miandraikitra ny fiandrianam-pirenena ara-tsakafo sy ny oniversiten’ Antananarivo, ivon’ny fanavaozana ny fambolena malagasy, ankilany. Ny Foibem-pikarohana momba ny vary manara-penitra ao amin’ny faritanin’i Hunan (Sinoa) kosa andaniny. Tetikasa mikendry ny hanavao ny fambolena malagasy sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, fa indrindra ny hametraka an’i Madagasikara ho maodely amin’ny fiaraha-miasa sinoa-afrikanina eo amin’ny sehatry ny fambolena ity natao ity. Hetsika fanohizana mivantana ny fanoloran-tena natao tao amin’ny Fihaonambe Beijing, Forum momba ny fiaraha-miasa sinoa-afrikanina (Focac), ny septambra 2024, ny amin’
ny fanirian’izy ireo hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, indrindra amin’ny sehatra manan-danja amin’ny fiarovana amin’ny ara-tsakafo. Natsangana, araka izany, ny vondrona iraisan’antoko telo ho fanaraha-maso tsy tapaka ny tetikasa. Nifanaraka ny roa tonta amin’ny fananganana laboratoara miavaka manana fahaiza-mamakafaka lalina ny kalitaon’ny voa sy ny fanatsarana ny toetry ny tontolo iainana ary ny fitiliana mialoha ny aretina sy ny bibikely.
Fanohanana ara-teknika
Ao ny Sesa izay manome fanohanana ara-politika. Eo koa ny foibem-pikarohana momba ny vary manara-penitra (HHRRC), manome fahaizana ara-teknika sy siantifika malaza maneran-tany. Ary ny oniversiten’ Antananarivo, izay manome fanohanana akademika sy fitantanana fampandehanana ary fampiantranoana ny laboratoara. Nanatrika izany ny akademia sady sekretera jeneralin’ny antoko kaomonista sinoa, ao amin’ny akademia momba ny Siansa sy ny fambolena, Bai Lianyang, misolo tena ny Foibem-pikarohana momba ny vary manara-penitra ao amin’ny faritanin’i Hunan (Chine). Teo koa ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, profesora Rivoarison Randrianasolo. Nisolo tena ny fitondram-panjakana, nandritra izany, ny sekreteram-panjakana avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara miandraikitra ny fiandrianam-pirenena ara-tsakafo, miaraka amin’ny sekreteram-panjakana, Razanamahefa Maminjatovo Tahin’Ny Avo.
Ninah (mpianatr’asa)




