Natomboka tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ny fidinana ifotony notarihin’ny filoha Rajoelina Andry any Fianarantsoa, omaly. Hitohy anio ka hatramin’ny zoma izao amin’ny fitokanana fotodrafitrasa izany.
Nambaran’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny lahateniny nandritra ny filankevitry ny minisitra tao Beravina, fa zava-dehibe ny manatanteraka izany eny ifotony. “Mba hahafahana mahita mivantana ny olana sy ny asa tokony hatao, mifanaraka amin’ny tena ilain’ny vahoaka, ny fanaovana filankevitry ny minisitra tahaka izao”, hoy izy. Natsidiny tamin’izany fa maro ny fotodrafitrasa hotokanana mandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena sy ireo mpikamban’ny governemanta mandritra ny telo andro, ao an-toerana. Ho fanamafisana izany fidinana ifotony izany, ankoatra ny asa sosialy hatao ao Fianarantsoa. Anisan’ny hotokanana ny hopitaly manara-penitra roa vaovao ao Ambohimahasoa. Hampiana fitaovana manara-penitra toy ny “Scanner », « radiologie numérique » ao an-toerana. Eo koa ny momba ny bloc opératoire, pédiatrie, maternité, dentisterie”. Ankoatra izay ny “Dortoir universitaire” ary ny fotodrafitrasa miompana amin’ny teknolojia, toy ny trano vita amin’ny imprimante 3D. Manampy ireo ny biraon’ny minisiteran’ny Mponina, ary ny kaomisaria vaovao ho an’ny polisy.
Fanamby lehibe ny zotra an-dalamby
Ankoatra izay, anisan’ny hotanterahina ny fijerena manokana ny fahasimban’ny lalam-pirenena faha-7. Ny hanomezana rano fisotro madio hatrany amin’ireo distrika manodidina, ny herinaratra amin’ny alalan’ny fametrahana parcs solaires. Eo koa ny fampitomboana ny building mora ao an-toerana.
Etsy andaniny, nambarany fa anisan’ny vavolombelona mampiseho ny fahasahian’ny fitondrana ny fanamby lehibe enti-manavao ny zotra an-dalamby FCE, Fianarantsoa – Manakara. “Tsy azo ekena intsony ny maha zary hadino ity lalam-pitaterana stratejika ity. Hotadiavina avokoa ny fomba hanatsarana ny lalamby sy ny fitaovana rehetra, na ho an’ny olona na ho an’ny entana”, hoy izy.
Manampy ireo rehetra ireo ny hitokanana amin’ny fomba ofisialy ny “Coliseum” vaovao ao Fianarantsoa.
Synèse R.




