Nitrandraka volamena : Raim-pianakaviana maty nihotsahan’ny tany

Raim-pianakaviana iray, 35 taona, maty nihotsahan’ny tany tao amin’ny kaominina Ivato Centre, distrikan’Ambo­si­tra, faritra Amonoron’i Mania, omaly tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Olona sivy izy ireo no niaraka nitrandraka volamena tao amin’io toerana io. Tampoka, nihotsaka ny lavaka ary voatsindrin’ny ranontany tao io raim-pianakaviana io. Nieren-doza sy avotra soa aman-tsara kosa ny olona valo hafa niaraka ta­miny. Niezaka nanavotra azy tao anaty lavaka ny fokonolona teny amin’ny manodidina vantany vao niseho ny loza, saingy tsy tana intsony ny ainy satria sempotra sy tototra tao io lehilahy io. Na­haritra adiny iray sy sasany ny fisokirana io niharam-boina io tao ambanin’ny tany.
Tonga teny an-toerana ni­trangan’ny loza ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny no­tarihin’i Tale kabinetran’ny Fa­ritra Amoron’i Mania, Randria­narivony Andry. Nahitana ny ta­lem-paritry ny Harena ankibon’ny tany, ny talem-paritry Mponi­na, ny Solontenan’ny VPAN, ny kaomisera eo anivon’ny Polisim-pirenena, ny ben’ny Tànanan’Ivato Centre ary ny Zandarimariam-pirenena. Efa eny anivon’ny fianakaviana ny razana taorian’ny fanadihadiana nataon’ny ma­nam-pahefana.

Mino

Partager sur: