«Olympiades des métiers 2025» : 63 ireo mpandray anjara nifaninana

Tontosa teny anivon’ny renivohi-paritany enina manerana an’i Madagasikara, ny volana jona lasa teo, ny fifaninanana “Olympiades des métiers 2025 (WorldSkills Madagascar). Notanterahina teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampi­anarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ao anatin’ny Direction de l’apprentissage et de la formation initiale. Na­nohana ny izany ny Unesco amin’ny alalan’ny tetikasa Bear III sy ny fandaharanasa Caped.
Sehatra efatra no nifaninanan’ny mpiofana. Teo ny teknolojian’ny Lamaody, ny zaitra, ny rafitra hazo ary ny “vannerie”. Miisa 63 ireo mpiofana nandray anjara, avy amin’ireo ivontoeram-panofanana miankina amin’ny fanjakana. Nan­dritra ireo dingana samihafa, niavaka ny fahaiza-manao na­sehon’ireo tanora nisafidy ny haneho ny talentany amin’ny sehatra tsirairay.
Voafantina tamin’ireo fifaninanana ireo ny solontena hiroso amin’ny dingana famaranana, hatao ny 11 aogositra ka hatramin’ny 13 aogositra ho avy izao, eto Antananarivo. Ho­tanterahina ny 14 aogositra ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny vokatra sy ny fanolorana ny loka. Manamafy ny lanjan’ny fahaiza-manao amin’ny fampandrosoana sy manome sehatra manokana ny tanora hisongadina sy horeharehan’ny faritra niaviany ny hetsika.

Vonjy

Partager sur: