TSELATRA

Efa-dahy namaky trano voasambotry ny zandary tao Brickaville, ny alin’ny talata 1 jona teo, tamin’ny 11 ora. Sarona teo am-panaovana ny asa ratsiny izy efa-dahy ireo ka tsy nisy afa-nandositra intsony.
Jiolahy raindahiny lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Ambohimiandra, kaominina Ampangabe, distrikan’Ambohidratrimo, ny 30 jona teo. Roa lahy namany azo sambo-belona nandritra ny fifanenjehana.
Namoy ny ainy ny mpamily sy ny mpanampy azy nandritra ny fivadihan’ny kamiao mpitatitra vokatra tao Marofarafara, kaominin’i Mangataboahangy, distrikan’ Amba­to­finandrahana, ny sabotsy 28 jona teo.

Partager sur: