Nifarana, omaly, ny atrikasa fanofanana ho an’ireo mpisehatra miisa 16, ho fanamafisana ny fahaiza-manao (VAE), notanterahina nanomboka ny alatsinainy 30 jona 2025, tao amin’ny Hotel Le Pavé Antananinarenina. Hetsika ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Unesco. Mikendry indrindra ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny famolavolana ny fiofanana. Mizara amin’ ireo kandidà VAE izay mbola mila manatanteraka ampahany amin’ny fiofanana ilaina hahazoana mari-piofanana araka ny traikefany izy ireo mpisehatra ireo. Misy, araka izany, ny fikasana hanatanteraka atrikasa 3 mandritra ny volana jolay hatramin’ny septambra, tarihin’ireo manam-pahaizana avy amin’ny Unesco, i Thierry Lefèvre sy Zakaria Robison. Maro ny vokatra andrandraina avy amin’ireo mpisehatra niatrika fiofanana. Eo ny fampivoarana ny fiofanana mifototra amin’ny fahaiza-manao, ny fampiharana ny fomba fanombanana mazava ary ny fanomanana ny fanapariahana izany amin’ny sehatra nasionaly.
Ninah (mpianatr’asa)




