Mitohy hatrany, tahaka ny fanao isam-bolana, ny fihaonan’ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra amin’ny mpanao gazety. Hanasana sy iantsoana ireo tomponandraikitra isan-tokony izany.
Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety momba ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-7 ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao. Nambarany fa efa miroso ny asa. Mizara roa mazava tsara ny famatsiam-bola sy ny orinasa manatanteraka izany, araka ny nambarany. Eo ny ampahany iray vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ka manao izany ny orinasa sinoa “Zhongmei Engineering”. Mamatsy vola ny ampahany faharoa kosa ny “Fonds Routier – FR” iantsorohan’ny Malagasy. Manampy izany ny fanamboarana sy fanatsarana ireo lalana Antsirabe tanàna amin’ny alalan’ny volan’ny faritra madiodio ankoatra ny fanampian’ny Filoham-pirenena.
Fanatsarana ny momba ny hetra…
Anisan’ny nitondra fanazavana koa ny eo anivon’ny fitaleavan’ny Indostria sy ny varotra, sy ny ao anivon’ny fitaleavan’ny hetra. Nahazo vahana kokoa ny fandrindrana sy fanatsarana ny momba ny hetran-trano sy tany (IFT-IFPB) eny anivon’ny kaominina. “Efa ao anatin’ny fiandrasana ny atontanisa momba ny mpandoa hetra avy any amin’ny kaominina ny fitaleavam-paritra izao”, hoy izy ireo. Nivoitra ho an’ny fitaleavam-paritry ny Indostria sy ny varotra kosa ny fitsirihana ny kalitaon’ny entana atolotra ny mpanjifa. Eo koa ny fomba fiasa sy ny fiatrehana ny ambana amin’ny fahapoizinana ara-tsakafo. Nampahafantarina tamin’izany ny fijoroan’ny fikambanana « Ex-SN », faritra Vakinankaratra, tarihin’ny tale kabinetra, Elysé Ranarivelo. Maherin’ny 100 ireo mpikambana ao anatiny.
Synèse R.




