Izay tratra ny fitokanana zava-bita amin’izao. Mahita izany ve ny vahoaka? “Efa mahatsapa fampandrosoana ny vahoaka”, hoy ny filoha Rajoelina Andry tany Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony, Fianarantsoa.
“Ny olona minia mikimpy sy minia tsy mandre, mankanesa ao Vohibato. Fa ny vahoakan’i Vohibato efa mahita sy mandre ary mahatsapa ny fampandrosoana sy ny asa atao.” Io no nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fizarana tohana sosialy ho an’ny ankohonana marefo sy sahirana miisa 17 000 tao amin’ny kaominina Alakamisy Itenina, renivohitry ny distrikan’i Vohibato, faritra Matsiatra Ambony, Fianarantsoa, omaly. Ho azy manokana nametraka fanamby, azo ambara fa tratra ny tanjona voalohany. Miorina eto Vohibato ary mandroso ny eto Alakamisy Itenina, satria maro ny fotodrafitrasa atao hanasoa vahoaka, manakaiky vahoaka, mitondra fampandrosoana. Anisan’izany ny kaomisarian’ny polisy vaovao ao Vohibato. Hiposaka ny masoandro fampandrosoana ho an’i Vohibato iray manontolo manomboka izao.
“Tsy mijanona eo, ao ny minisitry ny Asa vaventy: tsy maintsy vitaina ny lalana efa natomboka. Atao tara izay azo atao tara, satria mendrika izany ny mponina ao Vohibato”, hoy izy. Tsy voalohany ary tsy farany ny fahatongavana any an-toerana, ny fanaovana fotodrafitrasa. Miara-mirona sy miara-mizotra ny rehetra. Roso ny dia, tsy mimpody koa. Tsy maintsy atao izay hampandrosoana an’i Vohibato, ny Faritra Matsiatra Ambony. I Madagasikara tsy maintsy mandroso.
Tsiahivina fa maro ny fotodrafitrasa tokanana amin’izao dian’ny filoha Rajoelina Andry sy ny praiminisitra Ntsay Christian miaraka amin’ny mpikamban’ny governemanta any Fianarantsoa izao, izay mbola hitohy anio. Teo, ohatra, ny ny birao vaovaon’ny Kaominina ambanivohitra Alakamisy Ambohimaha, distrikan’i Lalangina, ny biraon’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina Vohibato…
R. Nd.




