Natolotra omaly, teny Anosy, ny valin’ny fanadihadiana momba ny tsy fahampian’ny singa mpamelona eto Madagasikara (ENCM 2024). Notontosaina ny volana jona hatramin’ny septambra 2024 ny fidinana ifotony tany amin’ny faritra 23. Niompana tamin’ny zaza enim-bolana hatramin’ny 59 volana, zatovo lahy sy vavy, vehivavy mitondra vohoka ary ireo vehivavy afaka miteraka (15-49 taona) ny fanadihadiana natao. Notiliana avy amin’ny fakana ra sy fivalanan-drano ny tsy fahampian-dra, vy, zinc, ioda, vitamina A sy D ary ny tahan’
ny kalsioma ao amin’ny vatana. Nisongadina fa mipetraka ho olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny tsy fahampian-dra, sokajiana ho antonony hatramin’ny tsy fahampiana lalina, ho an’ireo rehetra niantefan’ny fanadihadiana, araka ny fenitra apetraky ny OMS. Ho an’ny zaza 6-59 volana notiliana, nahatratra 42% ny tahan’ny tsy fahampian-dra ka ny 17% amin’ izay miaraka amin’ny tsy fahampiana vy ihany koa. 26% ny tsy fahampiana vy ho an’io sokajin-taona io. Ny faritra eto afovoantany no mahatratra ny sokajy tsy fahampian-dra lalina, araka ny fenitra apetraky ny OMS (mitovy na mihoatra ny 40%). Olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka kosa anefa izany ho an’ny faritra efatra hafa.
Ho an’ny zatovo (10-19 taona), 32% ny taha. Mahatratra 10% ny zatovovavy tsy ampy ra miaraka amin’ny tsy fahampiana vy amin’ny vatana. Ho an’ny tovovavy sy ny vehivavy, 30% ny taha, raha 37% izany ho an’ny vehivavy mitondra vohoka.
Vonjy




