Hanome fampianarana maimaimpoana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana Bakalorea ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Manomboka ny alatsinainy hatramin’ny zoma 11 jolay izao izany. Atao ao amin’ny Tranompokonolona Isotry. Tanjona ny hanampiana ireo ankizy hiatrika fanadinana. Hanatsarana ny fahaizana sy ny taham-pahafaham-panadinana ho an’ny ankizy sy tanora eto Antananarivo izany. «Tsy hatao fotsiny ny hahafahan’izy ireo fa tena tiliana sy omena fanampiana ny olona tena sahirana, napetraky ny ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala», hoy ny Dr Rabeson Hervé, talen’ny fahasalamana sy ny raharaha sosialy eo anivon’ny CUA. «Efa mihasarotra ny fiainana ka tsara ny fisian’ny fanampiana ireo ankizy sahirana», hoy izy.
Zaraina sokajy roa ny fampianarana. Misy ny natokana ho an’ny mpianatra siantifika (Série S, C, D) ny 07 ora hatramin’ ny 12 ora. Ho an’ny ankizy manao taranja «littéraire» (Série L, A, OSE) kosa ny tapakandro hariva. Mitohy ao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny fampianarana ny tapany hariva ho an’ny sabotsy 05 jolay izao.
Mino




