Sekolim-panjakana ny ENS Toamasina toy ny any amin’ny oniversite hafa. Eo ambany fiahian’ny fanjakana ary manofana ho mpiasam-panjakana hiantsehatra amin’ny sehatra marolafy. Mamolavola manampahaizana hiantsehatra any amin’ireo minisitera samihafa ka anisan’ny tsinjovina manokana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Toeram-panofanana ho mpampianatra sy ho mpanabe ny Ecole Normale. Niandoha tamin’ny fanofanana ireo ho mpampianatra any amin’ny ambaratonga fototra (EPP) izy io ka nantsoina hoe Ecole Normale Niveau I. Niitatra tamin’ny fanofanana ireo ho mpampianatra amin’ny ambaratonga faharoa (CEG) Ecole Normale Niveau II ary teraka teny anivon’ny oniversiten’i Madagasikara ny Ecole Normale Niveau III, araka ny didim-panjakana 83-186 ny 24 mey 1983, izay hiofanan’ireo ho lasa mpampianatra amin’ny ambaratonga faharoa manokana (lycée). Maharitra ny dimy taona ary ahazoana ny mari-pahaizana Certificat d’aptitude pédagogique (Capen) ny fanofanana natolotra.
Taty aoriana, niforona ny Ecole Normale Supérieure (ENS) araka ny didim-panjakana laharana 93-394, ny 20 jolay 1993, izay Ecole normale Niveau III teo aloha ihany. Ny ENS eo anivon’ny oniversiten’ Antananarivo, Toliara ary Fianarantsoa no nanofana ny ho mpampianatry ny ambaratonga faharoa manokana na lycée amin’ny fampianarana ankapobeny. Natokana hiofanan’ireo ho mpampianatra amin’ny lycée teknika kosa ny ENS ao amin’ny onivesiten’ Antsiranana.
Nanangana ny Ecole normale supérieure (ENS) tao anatin’ny vanim-potoana nametrahana ny rafitra LMD (Licence-Master-Doctorat) teny anivon’ny fampianarana ambony ny oniversiten’i Mahajanga sy i Toamasina. Tsy maintsy nahazoam-pankatoavana (habilitation) ny rantsam-panofanana samihafa ao aminy mialoha ny hirosoany amin’ny fanofanana. Ho an’ny ENS Toamasina, ny didim-pitondrana laharana 3132 /2023, ny 17 novambra 2023, navoakan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa izay miahy azy no mirakitra io fankatoavana io. Mifanindran-dalana amin’io ny didim-pitondrana 32417/2024 navoakan’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana izay mamaritra ny fahamarinan-toeran’ny mari-pahaizana avoakan’ity sekoly ambony ity. Hamoaka ny andiany voalohany nahazo ny mari-pahaizana licence ny ENS Toamasina amin’ity taom-pianarana ity, araka ny fanazavan’ny talen’ny ENS ao Toamasina, Dr Fenotsara Razafy Marie.
Manana mpiofana 2 000 ny ENS Toamasina
2 000 eo ho eo ny isan’ny mpianatra mandranto fianarana eo anivon’ny ENS Toamasina, ankehitriny. Mitsinjara amin’ny rantsam-piofanana (mention) miisa 14 izy ireo: Fampianarana, Fandraharahana, Toekarena sy sosialy, Serasera. Isan-taona, amin’ny alalan’ny fifaninanana no handraisana mpianatra hiditra ho taona voalohany. An-jatony ireo afaka amin’ny fifaninanana amin’ny mpiadina manodidina ny 1 000 mahery mandray anjara. Afaka mifaninana avokoa ny sokajy rehetra amin’ny bakalorea, arakaraka ny lalam-piofanana tiany hianarana.




