Filoha Rajoelina Andry: Nizara Vatsy tsinjo tao Ambohimahasoa

Nitohy tamin’ny fizarana vatsy tsinjo ho an’ireo tokantrano sahirana miisa 3 500 ao Ambohimahasoa ny fitsidi­han’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. “Fitia mivaly fitia”, hoy ny filoham-pirenena nandritra ny lahateniny, izay nanamafy ny hanohizany hatrany ireo ezaka efa natomboka ho fitsinjovana ny fiai­nan’ny mponina. Nambarany fa ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa sosialy sy fampandrosoana eny ifotony. Hetsika natrehin’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, Ni­colas Rabemananjara, sy Raymond Nala. Notokanana taorian’izany ihany koa ny hopitalibe manara-penitra ao Ambohimahasoa izay maneho dingana lehibe amin’ny fana­tsarana ny tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny faritra. Manana efitrano 98 ny hopi­taly ary avolenta avokoa ny fitaovana ampiasaina ao anatiny ho fanasoavana hatrany ny mponina ao Ambohi­mahasoa. Araka ny fandaharam-potoana, nisy ny fandraisam-pitenenan’ny isan-tsokajiny, ny fanokafana ny takela-bato manamarina ny fanokanana ny fotodrafitrasa. Maro ny efitrano mandrafitra ny hopitaly, toy ny efitrano fandidiana, fiterahana, fanomezan-dra, famelomana aina, fandrindram-piterahana, laboratoara anaovana fanaraha-maso isan-karazany. “Hahazo ny fitsaboana tandrify azy ary ho sitrana soa aman-tsara ireo olona rehetra izay manana ny tsy fahasalamana ka hiditra eo amin’ity toeram-pi­tsaboana ity”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Ninah (mpianatr’asa)

Partager sur: