Fitakiana ireo Nosy manodidina : Mitaky ny fanohanan’ny Sadc sy ny Rosianina ny Seces

Namoaka fanambarana hentitra ny eo anivon’ny Seces, omaly. Fitakiana sy famerenana manontolo ireo Nosy malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay, nandritra ny 130 taona mahery ny lohatenin’ny fanambarana

.

“Miantso ary mitaky fifanohanana diplao­ma­­tika avy amin’ireo firenena sy vondrona mpiara-miombon’antoka amintsika izahay. Anisan’iza­ny ny ONU sy ny rantsa-mangaikany, ny COI, ny Sadc sy ny Vondrona afrikanina. Eo koa ny Brics, ahitana an’i Rosia ary ireo firenena maneran-tany, araka ny andraikitra tandrify azy ireo”, hoy izy ireo.
Niantso ny Malagasy tsy misy fanavahana mba samy hampandefitra ny hambom-po manokana, ny fitiavan-kely, ny fitanilana, ny fifandranitana, ny fizarazarana ary ny fitsitokotokoana ara-kevitra sy ara-pirehana ka hanamafy ny firaisankina koa ny Seces, manoloana izany. Aoka samy hisalotra ny hambompom-pirenena ka hitandro toy ny anakandriamaso ny fiandrianam-pirenena, araka ny fanambarana hatrany.
Nohitsin’izy ireo fa ady to­kana iarahana miatrika izao ho amin’ny fiverenan’ny fizakantsika manana ny tanindrazantsika ka anisan’izany ireo Nosy malagasy. “Efa antsika ary efa nohamafisin’ny fanapahana navoakan’ny ONU izany”, hoy ihany ny Seces.

Fananganana ny sainam-pirenena
Nanolotra dingana maromaro izy ireo hotanterahina ao anatin’ny telo volana manaraka. Anisan’izany ny fanamafisana ny fampahafantarana an’ireo Nosy malagasy amin’ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny famokarana fandaharana indroa isan-kerinandro farafahakeliny, amin’ireo haino aman-jery, miasa sy miorina eto Madagasikara. Eo koa ny tokony hamoahan’ny fanjakana didy aman-dalàna momba ny fizakantsika ma­lagasy manana an’ireo Nosy ireo. Manampy izany ny fanokanana dimy andro fananganana ny saina malagasy ho fampisehoana sy fanamarihana ny firaisam-pon’ny Mala­ga­sy rehetra sy ny fiandrianam-pireneny fa azy ireo Nosy ireo nefa mbola bodoin’ny Fran­tsay hatramin’izao.

Synèse R.

Partager sur: