INDRAY MIJERY

Hetsika firaisankina ao Analamanga. Nisy ny fandrahoana sy fanomezana sakafo mafana ho an’ireo olona miisa 200 raisina an-tanana ao amin’ny akany fialofana Seba sy Madcap. Nifanome tanana tamin’ny fanatanterahana izany ny fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny firaisankina Analamanga miaraka amin’ny Tily Madagasikara.

Fanatsarana ny sehatry ny asa tanana ao Ambositra. Noraisina ny soso-kevitra toy ny fahazoana akora fototra sy ny fanamorana ny fandoavana ny vokatra vita avy any amin’ny faritra mankany Antananarivo. Eo ihany koa ny fampitomboana ny fiofanana, ny fana­tsarana ny toeram-pivarotana mifanaraka amin’ny fenitra mitovy ary ny fitiliana ifotony kokoa ny mpandoa hetra.

Fitokanana fotodrafitrasa sy asa sosialy ao Fianarantsoa. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Commissariat de police, EPP manara-penitra, hopitaly, ny dortoir universitaire vaovao ary ny biraom-panjakana tao Fianarantsoa. Nisy ihany koa ny fanampiana ara-tsosialy natolotra mivantana ho an’ireo marefo.

Partager sur: