Kianja Malacam : Haharitra iray volana ny fitsarana miaramila

Hanomboka anio, hifarana ny 3 aogositra 2025, ny tetiandro fitsarana miaramila ho an’ny taona 2025, ho an’ny eto Antananarivo. Ao amin’ny Kianja Malacam Antanimena no hanaovana izany manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry (DSNGR), efa misy tetiandro koa ho an’ireo any amin’ny faritany. Entanina, araka izany, ny tanora lahy sy vavy 19 ka hatramin’ny 31 taona, tsy mbola nitsara miaramila ho tonga eny an-toerana. « Maimaimpoana ny fiatrehana ny fitsarana miaramila ary mitondra karapanondro sy penina manga ireo hiatrika izany », hoy ny fanazavana. Hisy ny fampitan’ny tomponandraikitra eny ifotony ny fotoana sy ny toerana hanatanterahina ny fitsarana miaramila ho an’ireo any amin’ny faritany. Nohamafisin’ny DSNGR fa antontan-taratasy ilaina amin’ny fanadinam-panjakana na hiasa amin’ny fanjakana na koa handeha hanohy fianarana any ivelany ny taratasy fanamarinana ny fanompoam-pirenena.

Jean Claude

Partager sur: