Miavaka amin’ireo sekoly ambony hafa ny ENS Toamasina amin’ny famaliana ny filan’ny fampianarana sy ny fanabeazana amin’izao vaninandro izao. Manofana mpanabe sy ho mpampianatra amin’ny ambatonga rehetra manomboka any amin’ny kilonga (petite enfance) ka hatrany amin’ny oniversite ny sekoly ambony. Manome fanofanana mitohy (formation continue) ahazoana mari-pahaizana ho an’ireo izay hampianatra ny kilonga madinika (préscolaire). Tanjona ny hanatratrarana indrindra ny vinan’ny fampandrosoana maharitra amin’ny hidiran’ny zaza rehetra 2 -5 taona any an-tsekoly.
Manofana ireo efa mpanabe am-perinasa koa ho fanavaozam-pahalalana sy ho fanatsarana ny toe-piainan’izy ireo ho amin’ny fanohizana ny asany ny ENS Toamasina.
Manofana ho an’ny sokajim-pampianarana misy, fampianarana ankapobeny sy ny fampianarana tekinika ny sekoly. Mamaly ny filan’ny fampandrosoana ny sehatra hafa koa ny ENS ka mamolavola mpanabe afaka hiantsehatra amin’ny fandraharahana ara-toekarena, fitantanana, fitantanan-draharaha ary serasera sy ny sosialy.
Sady manana lanja akademika ahafahana manohy ny fianarana amin’ny alalan’ny fikarohana no manana ny lanjany arakasa ny mari-pahaizana Master omen’ny ENS Toamasina. 105 ireo mpiofana efa nahavita fanohanan-kevitra (soutenance) taorian’ny fikarohana nataony.
Nanatontosa : Vonjy A.




