Nitondra ho amin’ny lalana fiarovana ny tontolo iainana sy ny karazan-javamananaina ny ankolafy frantsay. Eo koa ny fikarohana siantifika, ny toekarena manga (ao anatin’izany ny fizahantany sy ny jono), ny fiarovana ny ranomasina ary ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna. Io no anisan’ny voatsiahin’ny fanambarana iombonan’ny vaomiera frantsay-malagasy momba ireo Nosy malagasy manodidina, nampitaina omaly. Araka ny fivoriana faharoa momba ny Nosy Glorieuses, Juan de Nova sy Europa ary Bassas da India, tao Quai d’Orsay, Paris, Frantsa, ny 30 jona.
Nangatahin’ny Malagasy ny hahazoan’ny mpanjono malagasy manjono manodidina amin’ireo Nosy ireo, ny fahazoan’ny mpikaroka malagasy manao fikarohana any an-toerana, ary ny fahazoana mijery ireo tahirin-kevitra siantifika efa nataon’ny Frantsay. Nangatahina koa hampiato ny asa mandeha ila any amin’ireo faritra voalaza ny ankolafy malagasy, hanohy ny fifanakalozan-kevitra ho amin’ny vahaolana milamina sy maharitra, ary hametraka lasitra iraisana hohajaina ny amin’izay ho fiandrianana amin’ireo Nosy ireo. Nampahatsiahiviny koa ny handrafetana tondrozotra ho amin’ny fifanakalozan-kevitra maharitra sy fivoriana ara-potoana ary tetiandro mazava ho amin’ny fifanarahana iombonana. Voarain’ ny ankolafy frantsay ny fangatahana, nampahatsiahivany ny toerany ny amin’ny fiandrianana amin’ireo Nosy ireo.
Samy nanaiky ny amin’ny karazan-javamanaina amin’
ireo Nosy ireo izay tokony harovana ny roa tonta. Samy manamafy ny ankolafy roa tonta ny firaiketam-pony amin’ny lalàna iraisam-pirenena. Toy izany koa ny amin’ny lanjan’ny fandriampahalemana, ny fifanajana, ny fiaraha-miasa amim-pirahalahiana izay mitondra ny fifandrasian’ny samy firenena.
R. Nd.




