Tokely Justin: “Tokony hirosoana ny fahavitan-tena ara-tsakafo”

“Manoloana ny ady misy any ivelany amin’izao fotoana izao, tokony hiroso bebe ko­koa amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo isika Malagasy. Efa izany rahateo no laharam-pahamehana apetraky ny fi­tondram-panjakana.” Io ny nambarana’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, i Tokely Justin, tamin’ny famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimi­eram­pirenena teny Tsimba­zaza, omaly. Ilaina koa ny fiezahana hamokatra ny filana eto an-toerana mba hampihenana ny fanafarana ny zavatra ilain’ny vahoaka andavanandro.
Ny amin’ny fahapoizinana ara-tsakafo: mankahery hatrany ny fanjakana sy ny tomponandraikitra isan-tokony hanohy ny ezaka hahitana ny tena marina momba an’iny tranga nisiana faty olona iny ny Ante­nimierampirenena. Enta­ni­na ny vahoaka hitandrina sy ha­nome vaovao marim-pototra ary hifanome tanana amin’ ny tomponandraikitra hisorohana sy hiadiana amin’ny fa­ha­poizinana ara-tsakafo.

Taratry ny demokrasia

Volavolan-dalana 13 kosa no voarain’ny biraon’ny Ante­nimierampirenena. 11 lany tsy nasiam-panitsiana, ary ny roa lany nasiam-panitsiana efatra. 14 ireo tolo-dalàna, ka valo ao amin’ny Antenimierampire­nena ary ny dimy avy any amin’ny Antenimierandoholona. Enina no lany izay nasiam-panitsiana. Valo no nolaniana tamin’ireo tolo-dalàna.
Tontosa soa aman-tsara ta­min’ny 12 sy 13 jona ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka. Na­hitana taratra ny demokrasia sy ny fanajana ny fifandanjam-pahefana izany. Nahatsa­pana ny fahamatorana ara-politika sy ny finiavan’ny go­verneman­ta ary ny fitondram-panjakana hanatanteraka ny vina napetrany amin’ny famitana ireo fandaharanasa voafaritra ao amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fihaonana.

R. Nd.

Partager sur: