Lehilahy iray hita faty tao amin’ny tohodrano atsimon’Ambohipo, afakomaly hariva. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisim-pirenena miasa ao Alasora sy ny mpitsabon’ny CSBII. Tsy nisy nahafantatra ny mombamomba io olona namoy ny ainy io.
Tafakatra 18 ireo namoy ny ainy vokatry ny fahapoizinan-tsakafo tao Ambositra, afakomaly. Mpampianatra misotro ronono iray maty rehefa nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, afakomaly.
Mbola hifampitadiavana ilay sambo A.W nitondra mpandeha hihazo an’i Kaomoro tapa-bolana taorian’ny niaingany tao Mahajanga. Handefa fiaramanidina miisa roa ny firenena maorisianina hanampy amin’ny fikarohana.
Ramatoa mpisoloky voasambotry ny zandarimaria Sabotsy Namehana, afakomaly. Mahatratra 20 mahery ny fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana momba ny fisandohana ataon’io vehivavy io.




