Nampirisihina ireo fikambanam-behivavy ao Matsiatra Ambony hanangana tetikasa fihariana ka ireo izay mitsangana ara-dalàna sy voafantina no tolorana tantsoroka hoenti-manatanteraka ny seha-pihariana nosafidiany.
Miisa 17 ny fikambanana nahazo izany tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony nandritra ny fitsidihana.
Fampizakan-tena ny vehivavy no tanjona. Arakaraka ny tetikasa no namaritana ny mari-bola natolotry ny fanjakana. Mpanao savony, mpamboly, mpanjaitra, mpiompy akoho gasy, mpiompy kisoa…. ireo fikambanana nisongadina ka mendrika ny fanohanana
Mitentina 30 tapitrisa mahery ny vola ho an’ny tetikasa iray. “Tokony hangarahara ny fitantanana ary natao hampitombo ny fihariana isaky ny fikambanana izao dingana izao”, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie.
Ny faran’ny herinandro teo, tafiditra ao anatin’ny fotodrafitrasa notokanan’ny filoham-pirenena, tany Fianarantsoa ny biraon’ny sampandraharaha miadidy ny Mponina sy ny firaisankina. Afaka handraisana ireo olona manana fahasembanana sy zokiolona ity fotodrafitrsa vaovao ity. Azon’ny fikambanam-behivavy ampiasaina ihany koa. Toerana hikarakarana taratasy ara-panjakana, handraisana sy hanomezana torolalana ho an’ireo olona niharan’ny herisetra.
Tatiana A




