Harembakoka : Mpikaroka roa no nahazo ny tohana Yavarhoussen

Sarotra ny fandidiana. Tsy maintsy samy nomena ny tohana Yavarhoussen ireo mpikaroka roa samy nahazo ny laharana voalohany. Midika ihany koa izany fa misy mpiahy ary misy mpiketrika ny tontolon’ny harembakoka sy ny kolontsaina eto Madagasikara.

I Kenny Saraely, Malagasy mpianatra mpikaroka amin’ny sehatry ny mozika. I Quentin Clémence, teratany vahiny, fa liana amin’ny rafi-trano sy tanàna eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ireo no indray nahazo ny loka miendrika vatsim-pianarana sy fikarohana Yavarhoussen. Sambany nandritra ny nisian’ity fanohanana tetikasa ara-javakanto sy kolontsaina ity no nisy izany laharana voalohany roa nitovy izany. Na­haritra ora roa ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, izay midika fa samy manana ny lenta sy haavo ireo tetikasa nifaninanana, ka nandray fanapahan-kevitra iombonana ny mpitsara ny tompon’ny tetikasa, hanome tohana mitovy ho an’ny roa tonta. Sarotra hotanisaina, fa manodidina ny
5 000 Euros amin’ny ankapobeny, ankoatra ny ny 1 000 Euros isam-bolana anatin’ny atrikasa fanatanterahana no homena ireo tetikasan’ireto mpifaninana ireto. Lelavola fanohanana amin’ny dingana rehetra takin’ny fikarohana io, satria mila volabe izany ary matetika lasa sakana ho an’ireo milofo amin’ny sehatry ny kolontsaina sy ny zavakanto.
«Kaïamba». Fantatry ny maro ny anarana, fa efa vitsy ny mahalala ny niforonany, ny tantarany, ny nosedrainy fa indrindra ny hoaviny. Tanora mpianatra i Kenny Saraely, vao 21 monja, no nifofotra tamin’izany. Na ny raiamandreniny aza, mety vao teraka tamin’ny vanim-potoana nampitsoka ny rivotra «kaïamba», kanefa tsy sakana tamin’ny fikarohana izany, satria azo lazaina fa mbola vanim-potoana tsy dia lavitra ny iainana amin’izao ihany.
Teratany vahiny, saingy nanompana fikarohana teto Madagasikara, i Quentin Clé­mence. Mamarana ny voka-pikarohany, hahazoany ny ma­ri-pahaizana ambony momba ny hairafitra izy. Ny toeram-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antana­narivo, izay manana rafi-panajariana manokana no nanintona azy, ka nanaovany ny fikarohana. Nataon’ilay arisitekita Roland Simounet ny kajikajy voalohany, saingy tsy to­dy hatramin’ny fanataterahana izany, kanefa antenaina fa mbola hisy vokany aorian’izao.

Zo ny Aina

Partager sur: