« Rdj – 23 taona » : Hampiakatra an-dry Shyn, Denis, LJo, Ceasar

« Iza no mpanakanto tian’ny mpihaino hiaka-tsehatra? » Izay no fanontaniana napetraky ny onjampeo RDJ 96.6 tamin’ireo mpanaraka azy ho fanamarihana ny faha-23 taonany. Nisongadina tamin’ny maro ny anaran’ny mpanakanto efatra: i Shyn, Denise, L Jo ary i Ceasar. « Efa samy mpanakanton’ny taona tamin’ireo Rdj Mozika  avokoa ireo, ka mazava be ny safidin’ny mpihaino sady mpankafy », hoy ny nambaran’i Tahiana « JayTax » Rasolojaona, tale jeneralin’ny RDJ, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo, omaly.
Fampisehoana goavana sy miavaka no hatao ny alahady 2 aogositra izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ho fanamarihana ny tsingerin-taona. Mazava loatra fa ireto mpanakanto ireto no hanafana ny fotoana. « Nanomboka izaho vao nihira, efa nandray ahy ny RDJ. Nentin’i Shyn tamin’izany. Nandeha hatramin’izao ny mozika. Efa nahazo amboara maromaro aho, midika fa misy mihaino ny mozika ary naman’ny mpanakanto ny RDJ », hoy ny nambaran’i Denise. Naneho fankasitrahana toy izany koa i Shyn sy i LJo, ary karazana valimbabena ho azy ireo ny fiakarany an-tsehatra amin’io seho io.
“19 jolay 2003 ny nisokafan’ny RDJ voalohany. Betsaka ny lalana naleha, maro ny sampanana. Hisy tamberina an’izay 23 taona izay hanokananay fotoana amin’io, mialoha ny sehon’ireto mpanakanto ireto”, hoy hatrany ny fanazavana.

Zo ny Aina

Partager sur: