Kolontsaina, fomba amam-panao, zavakanto, fanabeazana, soatoavina, teny, sns, samy voarakitra ao anatin’ny kabary avokoa. Ireo ihany koa no itoeran’ny hasina. Izay no nahatonga ny Ntaolo tsy hikabary raha mbola tsy anti-panahy sy nandalo ireo ambaratongam-panabeazana (angano, ankifidy, ankamantatra…) ananan’ny Malagasy.
Lesoka goavana be ho an’ny kabary ankehitriny io. Mpikabary malama vava, saingy, tsy mahafehy ny kolontsaina, fomba amam-panao, zavakanto, fanabeazana, soatoavina, teny malagasy, sns. Mpikabary manao tsianjery fa tsy mpampita hafatra.
« Miala tsiny, miala fondro, miala salohy fito ». Na ny iray amin’ireo aza tsy fantatry ny mpikabary sasany akory, kanefa, ventesiny mialoha ny hitenenana. « Tsy hampitaha lakana amin-jahatra aho fa… », ilay « zahatra », anefa, tsy fantany akory.
Mila ampidirana taranja hafa hoenti-mampitombo fahalalana momba ny kolontsaina, fomba amam-panao, zavakanto, fanabeazana, soatoavina, teny malagasy, sns, ny fampianarana kabary raha tiana ny hiverenan’ny hasin’ny mpikabary sy ny kabary malagasy.
HaRy Razafindrakoto




