Hisokatra amin’io taom-pianarana hoavy io ny Lycée vaovao ho an’ny kaominina Ambavahaditokana Itaosy, raha ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna, Ratoetrarinanja Jean Louis. Volan’ny kaominina madiodio no hanatanterahana ny fotodrafitrasa. Hisy efitrano 6 hahafahan’ny kilonga misitraka fampianarana aorian’ny fahazoana ny diplaoma BEPC izy ity.
Hanampy betsaka ny mponina ny fahavitan’ny Lycée ary efa fanirian’ny ray aman-dreny efa hatry ny ela izany.
Misy ny tohana avy amin’ny malala-tanana eo an-tanàna fa eo koa ny fifanohanan’ny mponina amin’ny alalan’ny valintanana sy fifarimbonana hanaovana ny asa fananganana.
Apetraka amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena kosa ny famatsiana fitaovana sy ny mpampianatra araka ny antso ataon’ny ben’ny Tanàna ao an-toerana.
Etsy andaniny, nitarina ny CEG izay ataon’ny kaominina ankehitriny. Efa nisy ny CEG manara-penitra naorinan’ny fanjakana ka izay no hitarina.
Tatiana A




